FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitopolo taona na valopolo taona,No niezahana nanao ny kely mety ho vita,
Alohan'ny hiampita ;
Any amin'ny lalana handehanan'ny rehetra,
Rehefa tonga ny fetra.
Fitopolo taona na valopolo taona,
No natopatopan'ny onjan-dranomasina,
Vao nahita hasina.
Niezahana nampivoatra ny fiainan'isanandro,
Na alina na antoandro.
Fitopolo taona na valopolo taona,
Nihazakazahana namita ireo adidy,
Tena sarobidy ;
Nizarana ny fahaizana sy ny traikefa nanavanana,
Ho an'ny tsy nanana.
Fitopolo taona na valopolo taona,
Mirimorimo tsy ankijanona izany fotoana izany,
Mahalasa vinany.
Araraotina hatrany ny fanaovan-javatsoa,
Mahatretrika tokoa.
Fitopolo taona na valopolo taona,
Raha mateza no voarakitry ny baiboly,
Teny mahangoly ;
Tsy maintsy atrehin'ny rehetra anefa izany,
Raha mbola eto an-tany.
Fitopolo taona na valopolo taona,
No niomanana hiatrika ny Ray Tsitoha ;
Tsy manam-paharoa.
Ka na vato mandondona, na hazo amoron-tevana,
Mila ny Tompo ho tetezana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
09 Jolay 2023
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha
s19andry5851
(
09/07/2023 12:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry TianaNampiditra : s19andry5851
Daty : 09/07/2023 11:32