DADABE SY NENIBE (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tsaroana ankehitriny,mitamberina ao an-tsaina,
ohatra ny omaly ny fahiny,
ny raibe sy renibe, lalaina.
Dadabe sy Nenibe nitampify;
eny anelanelany eny,
nanao ho misy ny tsy misy,
ny fisotroan-dronono kely.
Dadabe sy Nenibe, misaotra,
tsy nanadino ireo zafy;
ny fitiavanareo tafahoatra,
niezaka tsy nampihafy.
Ny raibe sy renibe, lazaina;
tia ny zafy noho ny zanany.
Mby miverina ary tantaraina;
nozarainy ny kely nananany.
Tsy ho hadino mihitsy akory,
ireo fotoana lava niarahana,
tamin-kafaliana, na sorisory,
hatramin'ny ora nisarahana.
Tsy lasa lavitra izy ireo akory,
fa ao ambany rangolahy ihany;
tsy mifoha intsony fa matory,
ny fanahiny an’habakabaka any.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Martsa 2021
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry TianaNampiditra : s19andry5851
Daty : 17/03/2021 05:14