ILAY MBA FAHAIZANA KELY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay mba fahaizana kely,
tsy lala dia lasa ambony,
tsy hahatonga ho modely,
na hitroatra ianao na tony.

Ilay fahalalana tena bitika,
tsy ampy hampitraka akory;
tsipindy tokana, dia mipitika,
resy midaboka matory.

Ny zavatra vitsy mba hay,
tsy dia hita misongadina;
toy irony fatana kitay,
azo ekena, azo lavina.

Na be aza ny efa fantatra,
tsapa ho tsy ampy ihany;
maro be ny ankamantatra,
raha mbola tany koa ny tany.

Araka ny ahalalana,
raha dinihina, jerena;
no mazàna ahatsapana,
fa kely bitika ny tena.

Ny fiainana tokoa fianarana,
ahafaha-miala fitarainana ;
mila toavina ny fananarana,
izay rehetra iainana isainana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Martsa 2020
--------
Rohy:
2076 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:28)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164