MILA TONGA SAINA! (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hono hoy aho, ry vahoaka Malagasy;
maro amintsika no tsy mbola tonga saina,
mora arebireby, avy eo mangasihasy,
rehefa avy nobadoina, sy nampiasaina.

Ny firenena malagasy, tsy rotiky ny ady;
mahantra foana anefa, ary zary mandry fotsy.
Ireo nantenaina, lany andro miadiady.
ny ankamaroantsika efa lasa androrosy.

Ilaina hobeazina isika, mba hahay hamakafaka,
hanavaka ny vary amin'ireo tsimparifary.
Ka tsy ho hampiesonin'ireo tompon daka;
hanantena lava, eo am-piandrasana marary.

Tsotra, hono, raha te hamotika firenena iray;
alentika ny fanabeazany sy ny soatoaviny.
Amin'izay samy bado, lasa toy ny bemiray.
Ry zareo, avy eo, manjaka amin'ny hoaviny.

Ny fanabeazana ihany izany no fanalahidy,
hivoahana amin'ny zava-misy rehetra izao.
Ianao manana talenta, efao re ny adidy,
tsy hangataka andro lava, mijoroa ianao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
20 Febroary 2021
--------
Rohy:
1536 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:25)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168