NY ASA FAMPIANARANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny asa fampianarana,asa iray tena miavaka;
tsy mitandro hasasarana,
tsy manavakavaka.
Ny asa fampianarana,
dia asa iray mihaja;
misahana ny fanabeazana,
na olon-tsotra na manan-kaja.
Ny asa fampianarana,
asa mila fandavan-tena;
ambara tsy am-pihambana,
mamolavola olom-pirenena.
Ny asa fampianarana,
toy ny asa fitsaboana;
andry tena hiankinana,
hisian'ny fandrosoana.
Ny asa fampianarana,
mila fiofanana manokana;
mba hitondra fivoarana,
lafy maro fa tsy tokana.
Ny asa fampianarana,
asa iray nampandeferina;
faralahy tsy mba manana,
ny teo ihany no naverina.
Raha jerena akaiky anefa,
iankinan'ny ho avy;
ao no tokony hiantefa,
ny ezaky ny mpianakavy.
Ny tsy tokony ho hadino,
na inona na inona lazaina;
na hino ianao na tsy hino,
izay nianatra tsy ambakaina.
Koa raha tiana ny Firenena,
omeo ny haja mendrika azy,
ny mpampianatra mahonena,
fa aza anaovan-drainazy.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Oktobra 2019
--------
Rohy:
Mpakafy:
Lounih - sarindraravaloson - idealy19 - mioratantely31 - rtnina - hortense16 - Strelitzia - s19andry5851
Hevitra mandeha
s19andry5851
(
25/03/2023 04:32)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry TianaNampiditra : s19andry5851
Daty : 11/10/2019 13:42