NY FIAINANA ETO AN-TANY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainana eto an-tany,
iaraha-mahita, mahalala;
ny ambony lasa ambany,
mifankatia, mifankahala.
Ny fiainana eto an-tany,
fanantenana, hakiviana;
mahafaly, mampitomany,
hehy, ranomaso mikoriana.

Ny fiainana eto an-tany,
mahatezitra, mampitony;
mila fandinihina hatrany,
ny ambany, lasa ambony.
Ny fiainana eto an-tany,
raha dinihina, jerena;
tsy maha mpaminany,
tampoka dia mahasorena.

Ny fiainana eto an-tany,
lazaina, ambara etoana,
tanin-tsiky, tanin-tomany,
manempotra, hisefoana.
Ny fiainana eto an-tany,
fiainan-tokana, miavaka;
aleo mifankatia hatrany,
tsy tokony hifanavakavaka.

Ny fiainana eto an-tany,
tsy fiainana an-jato taona;
tsy maintsy mody ihany,
rehefa tonga ny fotoana.
Ny fiainana eto an-tany,
fiainam-pandalovana;
miserana, mandalo ihany,
ny hiafarany: fahalovana.

Ny fiainana eto an-tany,
fiainana mila ny Tompo;
mba ho tretrika hatrany,
sady faly no manompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 Novambra 2019
--------
Rohy:
1144 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:31)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211