ZOKY SY ZANDRY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroana eto ianao ry zoky;
tsaroana koa ianao ry zandry.
Iray tampo nifampatoky,
niara-tsy tafandry mandry.

Ampolo taona no niarahana,
teo anivon'ny ray aman-dreny.
Fifankatiavana no nibahana;
tsy hohadino mihitsy ireny.

Niara-nihafy taona maro;
lavi-dray aman-dreny.
niara-niezaka tagnamaro;
nifankahery, nifampiteny.

Niara-nianatra, niari-tory;
niara-nifoha ny maraina.
Niara-niatrika ny sorisory,
niara-niezaka tsy nitaraina.

Noho ny Tompo samy tafita,
samy manana ny toerany avy.
Azo lazaina samy nahavita;
voninahitry ny mpianakavy.

Ankehitriny efa nisy lasa,
any amin'ny varo-tsy mifody.
Na dia maro ireo kinasa,
lany ireo vato natora-pody.

Sambatra ny mpiray tampo,
mifampijery, mifanohana.
Samy manana hambom-po,
ary lavitra ny fifandonana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 Martsa 2021
--------
Rohy:
1253 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:23)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0187