AINGAO NY MARIPANA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aingao ny maripana fa izany no ilainaHanavotra 'ty Nosy izay mamintsika ity
Sahia ka mijoroa na dia haningotr’aina
Tsy misy iray mitsoaka fa aoka hiara-dia
Nahoana moa ny olona no esorina amy taniny
Kanefa tanindrazana iveloman’ny taranany ?
Sa efa tsara pasoka ny daomy maty masony
ka vola no mibaiko, 'zay gasy tsy raharahany?
Fa na ny Tafika aza natao mba aroriaka
'lay hoe: hijoro hatrany ho an’ny tanindrazana
Dia indro fa mandripaka, toa liona masiaka
K’ireo zay mba mijoro no hazaina sy fafazana
Fa ny hany tena antambo sy mampivarahontsana
Ireo mpitondra ambony no ati-doha miketrika
Mandrefy ireto gasy sy sahy mitondra ozona
ka tsy amelany mihitsy raha tsy efa tena rendrika
Ho gaga ve ianao raha atsy ho atsy isika
ho lasa angataka atiny raha toa tsy sahy hitolona?
satria lay taninao tsy misy aro-riaka
ka na ny fasana aza dia lasa an-tanin’olona
Ka mitraka sakaiza fa efa tafahoatra
Ny ankaso sy ny loza no indro manoloana
Sahia mandray ny ampinga, hitsangana sy hitroatra
Vonony ny herin-tsaina fa tonga ny fotoana
AORN
02 APRILY 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
rina15
