AMPINDRAMO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampindramo kirin-doha
Ho entiko hiatrik’ady
Manoloana ny tsy rariny
Sy ny jadona ampiharina
Amy Malagasy maro
Sasa-miaro zato taniny
Sy ny Harena mifangaro

Ampindramo herin-tsaina
Ho entiko mijoro hatrany
Tsy ho resim-pahavalo
Fa manjaka sesilany
Ny bontolo miampy basy
Hanerena teratany
Miaraka amy taratasy

Ampindramo sandry vao
Hanakanako an-kery
Reo vazaha mpametsifetsy
Ka na hisy ho aina very
Ny herim-poko tsy ho lany
N’iza n’iza anao an-tery
Hijoroako hatrany hatrany

AORN
12 MEY 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
38 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/09/2024 14:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205