AZA MAIKA NY MITIA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza maika ny mitia
raha tsy hahazaka ny "tsy tiana"
fa hafahafa ny fitia
ka ndrao hanenina aoriana
fa izay raisina ho "malala"
Mety tia anao tokoa
fa ny fo adaladala
tsy hampandinika ny loha
saingy mierina ny volana
indro ianao apetrapetrany
eo no hanomboka ny olana
hay lay "tia" ka misy fetrany

Aza maika ny mitia
Raha tsy hahazaka disadisa
fa manadala ny fitia
satria ny tiany maro an'isa
fa ny endrika sy bika
zay aloha no mahababo
nefa sary indray mipika
no hahatonga anao ho lavo
eo ianao fa manirery
sady lasalasa saina
izy anefa tsy hijery
na hitsetra anao mangaina

Aza maika ny mitia
Raha tsy hahazaka filafila
fa manimba ny fitia
Raha jerena maso an'ila
ianao mandray ho tena matotra
izy anefa tsy miraika
ianao hamehy ho tsara fatotra
lazaina indray fa diso paika
izy anefa etsy an-kilany
mampiseho fa tena tia
fitia tsy feno, silatsilany
dia io ianao fa mankafy

K'aza maika ny mitia
fa mbola ho lavitra ny dia

AORN
11 NOVAMBRA 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
336 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 23/07/2025 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0162