AZA MANAMAFY FO (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo o! aza manamafy fo
Ka hamaly ny hadisoana efa vitako hatrizay
F’efa fefiky ny ankaso Sady kotsan-dranomaso
'Zany 'zaho tsy mety fay

Raha nifona aho omaly
Ka nampanantena Anao fa tsy hamerin’ota intsony...
Dia toa avo folo heny no nasetriko azy androany
Tamy ditra sy lonjony

Moa ianao mbola hihaino
Zao fangatahako eto izao ka hamela indray ny heloko ?
Sa hanampina ny maso ka hijinja tsy ankitsitsy
Reo fomba ratsy izay naveriko?

Saingy hafa noho ny hafa
Ny fihevitrao ny amiko na dia farahidiny aza
Tsy toy ny fahitan’ny olona sy ny fomba fitsaràny
Faly hanely sy hankalaza

Soa fa Mbola teo Ianao
Mpamonjy sy mpamindra fo sady Rain’ny fahamarinana
Azoko itokiana loatra amin’ny ady izay hataoko
Fa tsy mpitsara mitongilana

AORN
12 Febroary 2024
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
163 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 07/05/2024 07:13)
Mankasitraka Hery!!!
hery ( 08/05/2024 13:32)
Tsisy fisaorana e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/02/2024 17:30
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149