FA MATOA... (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo nosoratana tamin'ny faha 30 taona nikatrohana teo anivon'ny Fiangonana Ekar Manjakaray...Fa matoa aho toy izao,
mbola afaka mijoro
Dia noho ny fanambinanao
Ry Ray Mpahary izay nikolo
Fa nanampy ahy ihany koa
Teny an-tsefatsefam-piainana
'nareo lay tapaka sy namana
no sady aZoko itarainana
Fa tsy adinoko eto indrindra
sy nandaniako ny fotoanako
Lay Fiangonana namefy,
amam-polopolo taonako
Reo mpitondra fivavahana
Sy mpitantana isan-tokony
Samy niara-niasa tamiko
Na ny zandry na ny zokiny
Feno telopolo taona
Nikatrohana ty tenako
Ka zay zava-bita rehetra
Tsy mba nisy nanenenako
Ka toky no omeko anao
Ry Fiangonako malalako
mbola vonona hikatroka
Ny tenako sy ireo taranako
AORN
06 JONA 2020
--------
Rohy:
Sokajy :
FIANGONANA
Mpakafy:
rina15