FIOVANA? (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vitan’izay resaky ny zatra moramoraTsy vitan’ny tsikera sy reo zatra mpanakora
Fa miainga avy amintsika izay mpanodina ny akora
Na ireo izay efa an’asa fa indrindra ireo tanora
Tsy vitan-kebohebo ka iadiana izay hitarika
Tsy vita an-databatra amy kajy sy asa-marika
Fa mila hetri-tena mba hijoro sy hisarika
Ka ilay fihavanam-bato no tandrovina haharitra
Satria ny fiovana, dia mitaky kirin-tsaina
Hanala ireo fahalovana, hamongotra ny laina
Raha toa ianao ka vonona, dia aoka tsy hitaraina
Hanarina indray, ilay tontolo karakaina
Satria ny fiovana, dia mitaky fahitsiana
Ka hampanisy lanjany zay marina takiana
Dia hampitovy zo reo samy hafa fihaviana
Ho famerenan-kasin’ilay firaisan-kina
AORN
28 OKTOBRA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
