FO ADALA TSY MISAINA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko loatra izay mahazo ity fo adaladalakosahy mitempo mangingiana ka mandray anao "malalako"
Nefa anie ka hita izao fa ianao dia misy tompony
fa dia ataony fanahy iniana sady koa miseho sarotiny
Nosazian'ny saiko ihany tsy hibitaka sy hitroatra
nefa tena mafy loha sy maditra tafahoatra
Izy hono rehefa tia, tsy manaiky hatramy farany
ka tsy hijanona amy zao raha tsy mahazo izay anjarany
Hany heriko nihery ka nirifatra nitsoaka
Mantsy izy rehefa ela, tsy hanan-kery ny hisafoaka
Rehefa tsy mahita anao, tsy hitempo anao intsony
Olon-kafa indray angamba no lalainy sy ho baboiny
O indrisy re ry foko, mila andraisako fepetra
Fa mitempo tsy mandinika sady hafahafa toetra
Mbola lavitra ny dia, mbola ho maro no sedraina
dia meteza mba mihaino, zay lazain'ny ao an-tsaina
AORN
20 AOGOSITRA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
