HAMPANDRY TANY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miaramila voatery hampandry tany any Ampanihy, ka manafatra an-janany...Anaka,
Voaraiko aninkeo, ity fiantsoana ity
Milaza fa tsy maintsy hanainga izao dia izao
Fa tena tsy milamina ny faritry Ampanihy
Ka andeha hampandry tany izato dadanao
Voalaza anatiny ato, fa nisy fanafihana
Malaso maromaro, mandroba ny tanàna
ka vonona handrefy mpitandro filaminana
Fa manana fiadiana, dia sahy mifampitàna
tsy maintsy andeha i dada, satria tsy manam-pidy
Ny "miaramila" manko tsy afaka mandà
Manaja ny lalàna izay sata sarobidy
Ka vonona hijoro ho tena lehilahy
Ianao anefa irery tsy misy mba hanampy
I Neny moa nisinda, fa mila hasambarana
tsy afaka niafy ka aleony dia niantsampy
an-tsandrin'olon-kafa hikaroka fiadanana
fa na izany aza...
misy vimbiny ihany tahiry izay tavela
ka azonao kitihina raha tojo tsy fisiana
Raha sanatria ka tsy ampy, izao tsy haharitra ela
k'aleo zay kely an-tànana no ezahana tsitsiana
dia izao koa a!...
Lay zandrinao vao kely, ezaho mba ho tamàna
Tambazo tsy hitady ity dada hiatrika ady
dia aza avela hangitsy, tovano hafanàna
fa mbola tena zaza, vao mianatra mandady
Ny tranontsika koa ezaho mba ho voaaro
ataovy mafy tsara ny hidim-baravarana
Ianao no solon-dray zay miavaka amy maro
mizaka izato adidy, na dia tsy mbola havanana
dia izao no aza adino sy ataovy loha-laharana...
Mangataka amy Tompo ny hery sesilany
Fa Izy no hany Ray sy toky iamaharana
Mamaly izay miantso, sy miahy antsika hatrany
Ny alaheloko ato, maningotra ny aiko
Ny hakiviana koa, mitady hipatrapatraka
Kanefa aleoko ihany, hamboariko ny saiko
Hafeniko tsy ho hita 'ty ranomaso latsaka
dia etsy ange e!!!
Avia ka manantoana, ry zanako lalaiko
Nareo no hany tokako, harena sy fananako
Na mafy ny handao, tsy maintsy ho zakaiko
Fa lova sy tantara ho anareo taranako
AORN
23 NOVAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Tanindrazana
Mpakafy:
rina15