HIRA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra hakivianafa sarak'olon-tiana
dia hira no venteso
hanala sentosento
Raha tobak'hafaliana
fa tojo izay niriana
dia hira atao am-bava
hamirana ny tava
fa hira no manala
zay vesatra any anaty
reo ady manadala
maningotra tsy tanty
fa hira mampitony
reo adin-tsaina maro
Manala lonilony
sy ratra mifangaro
AORN
09 APRILY 2007
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
