ILAY DINAKO AMINAO (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na tsy nitsiky tamiko ty fiainana mandalo
Na te hanala ny aiko ireto fahavalo
Ianao lay mpiandry tsara zay tiako sy lalaiko
Niaro sy namefy, nitsimbina ny aiko

Fa tombanjeriko ihany zay hitako eto izao
Tsy takatro hovisaina izay mety lalanao
Ianao no manana hevitra ry Tompoko Tsitoha
Hanakana reo loza, hampianoka ahy ny soa

Indraindray ny tebiteby manenika ny foko
Mampisy ny ahiahy, mitsapa ny finoako
Mampanontany tena hoe aiza no amaharana
Fa tsy mahita Anao, ilay tokana hany lalana

Ka hamafisiko eto, ilay dinako aminao
Tsy hitady toeran-kafa, tsy hikaroka hery vao
Ny fahasoavanao dia fefika sy ampy
Ka aminao hatrany ty foko no hiatsampy

AORN
14 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : FINOANA
323 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 06/03/2026 15:57)
ekena foana fa isaorana Ikalamako a
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 09/08/2025 23:44
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0157