IREO POETA MALAGASY (AORN)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy moa izato ianao ry Poeta MalagasyNo tsy hiantsa sy hanamarika ity fiainana mandalo
Fa mipololotra avy ao ny Penina sy taratasy
Ka manoratra tsy miato zato drafi-tononkalo?
Voalazanao ombieny, ny sotasota tsy amin-drariny
Nosinganinao koa, ny alahelo sy ny tsiaro
Sahinao antsaina mihitsy, reo fahavalo sy ny tariny
Na mpitondra ireo na mpiavy, samy ratsy mifangaro
Ny Poeta tsy Poeta, raha tsy miavaka amy maro
Manan-kolazaina hatrany, tsy voafehin’ny fotoana
Na misaina noho ny hafa, saingy tsy afaka miaro
Reo tsy rariny efa miantra, na ireo ratsy manoloana
Ireo Poeta Malagasy, manana ny lazany avy
Samy sangany amy sorany, samy manana ny tiana
Fa ny zavatra iraisany: tsy misara-mianakavy
Satria izy miara-miaiky fa Malagasy iray fihaviana
AORN
19 JANOARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Hevitra mandeha
hery
(
30/07/2024 21:43)
Ny paoziko miantsa azy ato 😊
https://www.facebook.com/share/v/ygqekqjLRzHmKaGh/
https://www.facebook.com/share/v/ygqekqjLRzHmKaGh/
rina15
(
31/07/2024 06:59)
Misaotra sy mankasitraka. Misaotra amin'ny Video koa na misy partie en sourdine aza e