ITY FOKO KELY ITY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahagaga ahy ho ah ity foko kely ity eMilamila vaniny raha resaka fitia
tsy mba mahatandrina raha tojo tsaratsara
tsy mahay manafina fa avy koa dia tara
mbola vao tsy ela tamin'ny herin'ny alahady
raha nandeha nivavaka aho ka teo am-bavahady
nisy tovovavy tena manja sy bikana
nampietana ty foko ka nampiakatra hafanana
Nefa ny ao an-tsaiko mba hibebaka amy Ray
Manko maro loatra ny hadisoana hatramy zay
Dia mitady hivadika hanara-maso akaiky
lay zavavy sitraky ny foko izay taraiky
Mahatalanjona ahy ho aho ity foko kely ity e
tsy mba menamenatra am'ireo mpifankatia
olona efa fantatra fa vita mariazy
no mbola ankafiziny ary tsy mba vazivazy
indray maraina izay aho raha nivoaka handeha hivarotra
sendra niandry bus no indro tojo zava-tsarotra
mpivady vao omaly, nifamihina aok'izany
Milahatra ao aorianako no sady nanontany hoe:
Eto ve no miandry ilay mankany Ambohipo?
"eny" hoy aho namaly nantodika ny loha
feo miangola kanto miampy tsikitsiky kely
Niraikitra tam-poko ka tsy adino velively
Mahasosotra ahy ho aho ity foko kely ity e
Sokajiko ho adala, toa vao mainka mankafy
angamba indray andro any mbola hiova ho tena matotra
f'io fitiavana io no nanageja sy namatotra
Mandreraka a!!!
AORN
05 JOLAY 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
Azrael666
