MBOLA HO TONY VE NY SAINA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho tony ve ny saina
Manoloana ireto geja
zay mahazo anao ry Nosy?
Fa zay olona antenaina
toa miresaka mateza
nefa hay nanosiosy

Nientanketana am-boalohany
mody hoe nafana fo
dia nivatravatra fihetsika
Moa ny tena tao an-dohany
Kajikajy maro lafy
Hafetsena miaro tetika

Reo milaza ho tia anao
rehefa mahazo fitondrana
dia manapatra ny heriny
ka zay resaka natao
dia nivadika adalana
ka lalainy, tsy toheriny

Noho izany, tsy angiana
fa hijoro hatrany hatrany
mandra-pisy fahafahana
Ka hiady ho anao ilay Tiana
sy hanavotra ity tany
mbola anaty fanjanahana

AORN
17 APRILY 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
213 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 04/08/2025 14:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129