MIATO KELY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo aloha ny anio
Mba andro iray hitokana
Tsy asiana adin-tsaina
zay mahabe korontana...
F’ianao hibanjina ahy
Hijery izay hakanton’ny
Ketriketrin’handriko
Sy ireto volofotsiko
Manasaka ny lohako…

Dia etsy kely ange e!
Ny tananao ho raisiko
Mba hitsapako indray
Reo kitro sy ny holatra
Nateraky ny kosoky
Ny lamba nosasana
An-taona nifandimby
Niampy ny asa an-trano
Natrehin’isan’andro;
Ny fandrahoan-tsakafo;
Ny ketrika nahandro;
Ny taiza ireto zaza
Manao ambarantonga...
Lay kely Mbola bada
'reo "be" mirongaronga...
Kanefa dia tsy maintsy
Arahimaso akaiky
Reo sara-pianarany
zay tsy azo atao taraiky
Satria mba satrintsika
Hirindra sy hilamina
Ho zaza tsara taiza
Ho tonga olom-banona…

Matetika aza moa
Dia tsy tsaroanao koa
Ty hasasaranao
Miantraika hatramy vatana
Mitarika ny aretina
Zakaina sy tatazana…

Ka rariny androany
Raha miato kely isika
Aleo mba hobanjiniko
Lay endrikao baliaka
Inoako marimarina
Fa sitrakao izany
Ka hafaliana feno
Tsy arahana tomany
Fa ho ampoky ny mamy

AORN
03 MAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
70 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151