MPITSABO MASO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako eto fa nivoana
zany fo adaladalako
fa mitempo tsy fotoanany
Te handray anao: "malalako"

moa tsy rediredy koa
zato vavako tsy tanako
Nanonontonona anao
zay noheveriko ho fananako?

Indrisy manko ry mpitsabo
Mpitsabo maso tsy ho adinoko
taminao no latsa-paka
lay fitiavako fihiniko

Satry foana ndeha hilahatra
isan'andro vaky izao
Mody hoe hizaha maso
Nefa te hahita anao

eny na andoavam-bola
tsy ahoana izay ho sarany
fa lay fo mitempo anao
Te ho tiana tsisy farany

Rehefa anjarako am'zay
ny ho raisina hozahàna
De nangovitra ny vatana
Nefa mainka koa tamàna

Satry ny ho kitihinao
zato masoko jambena
Dia narosonao akaiky
Zaho toa zary nihenahena

Dia nampamakianao boky
Namantarana ny aretina
dia niniako nodisoina
Nolazaiko hoe: "misy pentina"

Indro ianao nandray ny penina
Nanome ny toro-marika
sady arahan-tsikitsiky
Ary izay lay nahasarika...

"Miverina eto ianao. jereko...
tapabolan'ny androany"
"Raha mandaitra ny fanefitra,
dia tohizana eny ihany"

"Eny" hoy aho... "misaotra betsaka"
"Ity ny saram-pizahàna"
"Tano anao izay fameriny...
Fa afoiko anao madama"

"Mbola tsy madama aloha"...
Hoy ianao niteny mora
Ka akory ny hafaliako
Moa tsy tonga zao ny ora?

Dia nanao veloma anao...
"Tapa-bolana aho miverina..
dia ho tonga vao maraina..
Mety ho alohan'ny amin'ny enina"

"Ouuu..sao maraina loatra kosa"
Hoy ianao niteny tamiko..
.."tsisy mampanahy izany ka...
fa ny hahita anao no mamiko"

Taitra kely ianao naheno
zato rediredin-tsaiko
Hitako nivara-mena
Nefa anatinao toa haiko...

dia nibanjina naharitra
zato ianao r'ilay mpitsabo
Teo dia latsapaka koa
Tafaray fa samy babo

AORN
11 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
33 2
Mpakafy: ZavonaRakoto - rina15
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto ( 15/11/2024 09:48)
Aoka moa lehiretsy a! 😊 kkkk
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 15/11/2024 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155