NY TIANA REHEFA TIAVINA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tiana rehefa tiavina
Toa mampifilafila
fa rehefa odiana fanina
Mijery maso an’ila
Dia mihevitra ny tenany
Fa tena manjabe
Fa raha ny satriny aza
Mampierika mpandeha

Ny tiana rehefa tiavina
Dia toa manjakazaka
Raha toa tsy rarahiana
Dia indro tsy mahazaka
Angamba ny ao an-tsainy
Dia izy foana foana
No toavina sy hajaina
Tompoina eo anoloana

Ny tiana rehefa tiavina
Tsy menatra miteny
Sady eo imason’olona
No anaovany azy ireny
Indrindra moa ka misy
Lehilahy mahatara an’azy
Ianao tsy asiany sira
Ka tsemboka manavy

Ny tiana rehefa tiavina
Tsy hoe andriamanjaka
Ka aoka ianao hijoro
Fa tsy hiambakavaka
Odio ialana lavitra
Manaova be marenina
Fa izy ampitso ihany
Dia hotsakoin’ny nenina

AORN
23 JONA 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
398 4
Mpakafy: Djess - hery - LEVASOKA - rina15
Hevitra mandeha
LEVASOKA ( 01/10/2024 19:42)
Misaotra ny mpanoratra fa anisan'ny nanintona ahy lotra ity asa soratra iray ity😘
rina15 ( 02/10/2024 17:38)
Levasoka< Andalana aiza tamin'ireo no nanintona? Tsapanao ve fa mitombona ny sasany amin'izay voalaza? Misaotra e
LEVASOKA ( 07/10/2024 19:31)
Nanintona ahy loatra ilay hoe (Ny tiana rehefa tiana toa mampifilafila/ manjakazaka/ tsy menatra miteny)
Raha ny fomba fijeriko manokana dia mitombina tsara ary zavatra efa nihatra tamiko! Ny tiana rehefa omena feno vao maika mandratra ny olon_tiany fa rehefa andra isana fanampahan_kevitra matotra vao mahatsiaro manenina sy malahelo. Hoy ilay mpanakanto iray izay hoe rehefa an_tanan'olonkafa aho vao mba hitanao hoe tsara
Misaotra amin'ny asa soratra fa tiako loatra ny andininy telo voalohany! Nanintona be ahy ary azo mitondra hafatra hoan'ny olona mandray lesona
Ravinala
rina15 ( 08/10/2024 03:52)
Levasoka: Tena toetry ny olombelona mihitsy io satria mihevitra izy fa any aminy ny hery (force, puissance, atout, beaute) ka manomboka mametraka izy. Somary hafahafa mihitsy anie isika olombelona izay e!!! Mankasitraka amin'ny fanehoan-kevitre
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167