NY TONONKALO (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fehezan-kevitra mirafitra, mifono hafatra hampitaina
Soratra mitohy miandalana, mampanintona mpamaky
Miantsa vetsovetsom-po, ny hafaliana, ny taraina
Na ny tsara tiana aseho, na ny tongo-bakivaky

Ny Tononkalo tsara indrindra ? tsy misy aloha ny fanaperana
Fa ny fo 'zay resy lahatra, no mamaritra izay tiana
Ny ady rima sy ny gadona, mipetrapetraka amy toerana
Ny vontoatiny ihany koa, mbola mety mahaliana

Fa ny antsan-tononkalo, 'zay iangalian’ireo Poeta
Mampirongatra ny anaty, mampientana fanahy
Mampisaina, mampisento, mety hampiova koa ny toetra
Fa mifono zava-dalina, na mamelona ny tsiahy

Ny Poeta moa mazĂ na, dia mpampianatra ihany koa
Be ireo hafatra apetrany, any anaty tononkalo
Fa ny tanjony amy zany, dia hampita zava-tsoa
Na hilaza zay mba hitany, fa tsy hanangam-pahavalo

Ireo karazan-tononkalo, samy manana ny lantony
Satria 'reo antsa izay voasoratra dia nivoaka avy ao am-po
Ny mpamaky no mitsara, ka misitraka ny hakantony
Fa ny asa niangaliana, samy mendrika avokoa

AORN
05.03.2024
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
310 3
Mpakafy: ikalamako - corali - rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 14/03/2024 16:55)
Mankasitraka hatrany Ikalamako
ikalamako ( 15/03/2024 19:02)
Am-pifaliana o !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 08/03/2024 08:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161