REHEFA NY FILOHA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa ny filoha
no maivamaivan-doha
hanondrana izy izay!
tsy tena mahafehy
ny ekipany ao an-dapa
zay tia manenji-dresy
miampy rahom-bava...
fa tiany moa ireny
dia avelany hiteny

Rehefa ny filoha
no tsy mivaky loha
tsy marina izy izay
fa ny any anindran-tany
tsy asiany topi-maso
reo tokan-trano maro
jinjain'ireo malaso
fa izy moa tanivo
Tamana aty Iarivo

Rehefa ny filoha
manindraindra loha
tsy alehany izy izay
Ny sehatra ivelarana
Odiany tsy jerena
ny seha-pampianarana
gejaina sy fefena
fa ny any an-tsainy kosa
Mivelona amy trosa

rehefa ny filoha
no mihivingivin-doha
dia jadona izy izay
tsy avelany miteny
ireo manohitra azy
ratrainy sy tereny
na gadra miampy sazy
fa izy hoe manan-kery
tsy ho resy velively

fa rehefa ny filoha
no mikorontan-doha
hiongana izy izay!
satria ny ra nalatsaka
ho tambim-pahefana
dia efa feno sasaka
tsy azony rarana
manody tsy azo ialana
Mandripaka tsy tana

AORN
08 FEBROARY 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
157 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0146