TAIZA IANAO? (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mila angady miampy sandry raha hamadika ny baingaFa tsy vita an’eritreritra sy nofisina am-pandriana
Mila anao manapa-kevitra sady vonona hanainga
Fa tsy miandry ny hafa hifoha, mankamamy fatoriana
Mila saina sahy miatrika raha manenjika ny hafa
mbola maro tsy hita isa raha ny afera maizimaizina
Mila hamafisan-doha raha hamongotra sy hamafa
Fa tsy ho tambazam-bola na matahotra ho faizina
Ka anio aho manontany, taiza ianao, toa tsy hita ihany?
Sa nalaky resy tosika, ka mbola hiondrika amy tany?
AORN
08 AOGOSITRA 2011
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
