TANJONA HO TRATRARINA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy fitsanganana
Ianao ve mba anisany?
sa ireo lay mpanankiana
fa ts’hita zay mba vitany?

F’ireo filana fototra
No efa tsy eo an-tanana
Fa ratsy zara hatrany
Ka maro ireo tsy manana

Ny zo voahitsakitsaka
Hatrany am-parahatoka
Kanefa ianao tsy taitra
Tsy sahy mamaky takotra

Ho gaga ve ianao?
Raha toa miverimberina
Reo mpanambotry ny hafa
Manao zay bemarenina?

Ho sina ve ianao?
Raha toa hanjakazaka
Satria ianao tsy mihetsika
Dia izy hahazo laka?

Satria ianao tsy sahy
Dia iza no andrasana?
Sa hanantena ireo
Mpitolona efa lasana?

Tsy vitan-tsetratsetra
Fa mila saina vonona
Hiomana sy hiady
Mba handresen’ny tolona

Dia aoka tsy hiherika
Fa hiatrika tanteraka
Satria lay ady iraisana
Tsy mila antsika reraka

Dia aza iandrasan’andro
fa trambo be mandady
no tonga hamotipotika
Raha toa ka resy an’ady

dia misinkina hery
Mafiso zato saina
Ny tanjona ho tratrarina
Fa tsisy miala maina

AORN
13 DESAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
64 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 13/12/2024 09:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146