TSY IRERY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy irery akory ianao
Na farahidiny aza
Lazaina ho resy lava

Ny tomban-jerinao
Tsindrian’ny manankery
ka lasa teritery

Ny tolo-kevitrao
Alain’ny manantsaina
Ianao no very maina

Ny Harena mba voahangona
Nalainy an-kasomparana
Nataony ho famaharana

Dia io ianao fa kivy
Tsy manan-kantenaina
Ka toa voasingotr’aina

Dia reraka fanahy
Fa trotraky ny ady
Tsy afaka mitady

Kanefa raha ny marina
Dia fitsapana ihany
Izany rehetra izany

Ny Ray zay ao ambony
No hany tsy mandao
Fa tena tia anao

Mihaino hanao hatrany
Mahita ireo miseho
Mahalala ny toreo

Fa Izy no mandahatra
Zay mety mahasoa
Ka atrakao ny loha

AORN
19 MAY 2021
--------
Rohy:
Sokajy : FAMPAHEREZANA
123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 06/08/2024 06:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146