TSY KIVY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niherina ny taona
Fa iny mbola eny
mandeha mirenireny
Mitondra zaza kely
lay tovolahy kaozatina
zay miezaka mifantina
Ny hanina azo harapaka
anaty daba tapaka
Lay sisantsisan-daoka
Sy ambiny voafoakan'
ilay tompon'ny hotely
Zay mba mitsetra kely

Tarehy voakonkan'andro
Sy voritra akanjo
No entiny manjeny
No sady sara-teny
Ny tanana efa kola
Ny am-paosy tsisy vola
F'izay mba angatahana
Manidy varavarana
tsy misy na iray
Zay mety mba handray
reo angatahan'asa
Milaza ho "tsy sahaza"

dia zara raha mahita
Avy eo mipitrapitra
dia kepaka eny foana
Dimbiasan'ny fotoana
mamelona ity zandry
zay tsy tafandry mandry
Rehefa kibo noana

Fa manoloana izany
Mikaroka hatrany
Misedra izay mangidy
Fa tsy mba mety kivy
satria raha velon'aina
dia amboarina ny saina
Fa any andro iray
Hisokatra indray
Ny lalam-pahasambarana
Ho tojo fahombiazana
Lay jaly nisasarana

AORN
12 JONA 1999
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
330 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 20/03/2025 10:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127