ZON'NY ANKIZY (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialàko tsiny aloha androany
Raha toa hiresaka masiaka
ary tena hampiaka-peo
tsy hitsitsy voambolana
Hilazako ny ato anatiko
Ka ambarako anareo

Dia nareo izay mpiandraikitra
Sy mpitondra fahefana
Ireo mpandidy sy mpanapaka
Manoloana ireto ankizy
Tsy mahazo ‘zay mba zony
Fa mirenireny miahaka

Rariny ary ve raha misy
Ankizy miasa tsy ampy taona
Noho ny fahantrana lalina?
Nefa manan-jo hisitraka
Hitovy amin'ny misy hatao
Saingy miasa andro sy alina?

Na tsy manam-pidiny aza
Ireo kilonga maro an’isa
Mikarama tsy an-kijanona
Dia voatery sy tsy maintsy
Manao ny tsy fanao akory
Fa mila ho tola sady fanina

Fa ny tena zava-doza
Zazavavy mbola vantony
Risihana hivaro-tena
Nefa manana ny ho aviny
Manam-pikasana hianatra
Ka mijaly mahonena

Mbola antambo ihany koa
Reo ankizy izay mandroba
Eny an-dàlana sy an-tsena
Tsy mahalala izay ataony
Fa ny apetraka ao an-dohany
D’efa hoe ny hamelon-tena


Fa nahoana kosa moa
No dia avela tahaka izany
Ireto zanaka sy dimby?
Angaha tsy adidinao mpitondra
No mametraka paik’ady
Mba hanatsara izay safidy?

Fa angaha tsy anaty sata
Izay nianiananao
Ny hanaja izay voasoratra
Nefa anjara andraikitrao
Ireo kilonga Malagasy
Sa natao ho zana-tohatra?

Moa tsy adidinao mahefa
Ny hanajary ireo sekoly
Mba hanerana ny faritra?
Ka tsy misy izay iray
Tsy hisitraka izay
hoe fampianarana maharitra?

Moa tsy efa fantatrao
Fa raha tiana ny hampandroso
ny firenena sy ny olony
Dia tsy atao ambanin-javatra
ny fampianarana ny ankizy
sy fanajana ny tontolony?

Fa 'nareo anie mazàna
Mampanantena ambony ihany
Ka mampandry adrisa ny hafa
Saingy raha mahazo toerana
Dia maika erý ny hameno paosy
Nefa sady manatsafa

Ka mba saino sy hevero
Fa ny tody no tsy misy
Ny atao ihany no miverina
Raha mba misy eritreritra
Sy fitiavana ny ankizy
Dia aleo mba miala nenina

AORN
10 DESAMBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
461 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 28/03/2024 05:30)
Mankasitraka an'Ikalamako nikalo
ikalamako ( 29/03/2024 07:54)
Am-pifaliana hatrany hoy aho ee
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 13/12/2023 14:45
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159