hiran'ny asa (Clarisse Ratsifandrihamanana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(…)
Mitsatotsatoka ny angady :
Tononkira vao mifoha, tononkira iray sahady
Ilazàna fa mitohy ny fisiana sy ny tolona,
Mbola velona ny aina, mbola ao ny tena olona!
Mitsatotsatoka ny angady:
Mbola misy itony Asa, mbola misy koa ny ady
Ifarimbonan'ny miaina… tononkiran'ny atoandro
Miakatra manentohento isanandro isanandro!
Mitsatotsatoka ny angady:
Tononkiran’ny mpiasa mbola miezaka, mitady
Ny toeram-piadanany… tononkiran’ny hariva
Toa mandroaka faran-taratr'iny masoandro iva!

Io angady hitanao mondromondro sy efa tonta,
Io tanana mivonkina sy kitroina, efa konka,
Io no vy nahitàna, io no angady izay nananana,
Io no sandry izay nihary… loharanon’ny fananana.
Fa angady lava lela izy io no novidiany,
Ary tanana maronjana no mpanatsatoka azy iny,
Saingy, ela niarahana, taona maro nitolomana,
Nitsembohana isanandro teto an-tany fivelomana.
Io angady hitanao lany zara sy maloto,
Ireto tanana mihovitra, miha-malemy, efa donto,
No namafy ito saha, nitrandraka ny tany vao
Ka tomefy maitsomaitso ny eto ambanivohitrao!
Fa angady lava lela izy io no niandohàny,
Ary tanana mavitrika no nadraisany an’izany!
Dia namadika ny bainga, ritra aina nilofosana
Ka dia misy vokatra eto azonao mba ho tangosana!
Io angady hitanao fa vakivaky, folapolaka
Ito tanany efa antitra, godrogodro, efa tolaka
No niaraka namboatra sy niaraka niofo,
Nahamandina ny taolana, nampiretsika ny nofo
Fa angady lava lela no niditra ny varavarany,
Ary tanana mazoto no nibeda izato zarany.
Dia nibaby voa ny tany fa efa ela nitsembohana,
Lany andro niasàna nitrongiana, nitombohana!
Io angady hitanao bangabanga, bory zarana,
Ito sandry efa maiton'ireo asa nisasarana
No nioko nampitafy felam-bao sy salohy,
Ka ianao no io mirado vakam-bony vao natohy.
Fa angady lava lela no tonga teto tamin'zay,
Ary tanana salama no nihohy ny tany hay.
Raha hitsahatra ireo, hipetraka sy hiala voly,
Raisonao ny amboara! Mifantena masom-boly!
Clarisse RATSIFANDRIAMANANA
--------
Rohy:
154 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana
Nampiditra : hjravs
Daty : 06/11/2025 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115