VARY IRAY LOVIA (Clarisse Ratsifandrihamanana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VARY IRAY LOVIA.

Hano re, ry sombinaiko, ito vary an-dovia.
Mazotoa ka lanio, tapero ny anjaranao…
Aza dia ariana foana, ararakao tahaka ity.
Nahoana, ianao, no mampitamby? – manadala loatra ianao!

Hitanao, ilay omaly, fony isika raha nandalo
Fefiloha tomefy lokon-taninketsa vao vitaina?
Nisy olo-nisomeby: roa… telo… fito… valo…
Ka ny dinitr’izy ireo, potraka nandritra aina.

Hitanao ny fotapotaka maditidity amin-tanany
Sy ny dinta manirano izay manaikitra ny tongony,
Ny trahotrahon-dranomaso miampy kiakiakan-janany
Izay danihin-taninkandro eo anilan-tranombongony?

Hitanao ireo rehetra folapolaka sy ngoly,
Niondrikondrika eny ho eny nanatsatoka ny voly?
Manandrandra vokatra izy, ka ny vavaka nakariny,
Sitrany ny mba ho to… hitahiana tanimbariny!

Hitanao ny havizanany, hitanao ny fiezahany
Tanoloan’ny” Asa mafy”, asa maozatra itambarany?
Hitanao fa mahavokatra ny tanintsika notrandrahiny
K a aza atsipitsipy, hoy aho, ireto valin-kasasarany.

Etsy ange, ry sombinaiko, holazaiko ho fantatrao,
Tena misy, tsy angano…, misy mihitsy, misy ety..
Any ho any, any ho any… zazakely toa anao,
Noana mafy ka tomàny, mitady vary iray lovia!

Clarisse RATSIFANDRIAMANANA (21-01-74)
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fiainana
155 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana
Nampiditra : hjravs
Daty : 28/10/2025 17:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0108