TIAKO IANAO (Echlie Aichlia Honnie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO

Ianao no nofidiko
Ry ilay tena tiko
Hitako tao anatin'ny maro
Ianao irery fa tsy mifangaro
No omeko ilay fitia
Faniriko ho mandrakizay doria
TIAKO IANAO

N'ninon'inona ny momba anao
De hitoetra aho fa tsy mba handao
Satria ianao no lanin'ny fanahy
De tsy hisalasala tsy manan'ahiahy
Fa ny foko akia tena tia
Raha sitrakao de ndao hiara-dia
TIAKO IANAO

Iara hanorina ny ho avy
Tena raiki-pitia fa tsy mba miangavy
Tsy misy nanery fa safidy
Ianao irery no voafidy
Ka raha mety dia hande hotantanako
Sy mba hitoetra eo ankavanako
TIAKO IANAO

Torotoro ny foko fa tena raiki-pitia
Raiki-pitia hoy aho satri te hiara-dia
Te hivoady eo anatrehan'lanitra sy ny tany
Fa tia loatra ny foko de lasa te hitomany
Ka raha mety hoy aho ndao hanao voady
Ny fitiavana no ampanjakaina hanalavirana ny ady
Ny fikasana rehetra apetrak'amin'ny Ray
Raha ny fitiavako anao de ho madrakizay
TIAKO IANAO

Echlie Aichlia Honnie
--------
Rohy:
215 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015