Hafa ihany ilay tena hoe nitia... (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavanay? ekeko fa tsy anjara:Tsy anjaranay ny hiaina ilay fitia tantara
Zay nosoratanay hoe mba hiainanay
Sy hilomanosanay rehefa rahatrizay...
Ekeko, mety diso aho tsy manadino ny anay,
Fa tena sarotra hadinoina ilay fitia mivaivay
Izay nandoro ny fonay
Sy nanery anay hiray...
Fa mamy anie izany nofihininy izany e!
Mamakivaky lanitra fa tena ny tsy eto an-tany!...
Milentika ato am-poko ery ny angotingotiny,
Mamolivoly mamiko ery ireo tositosiny...
Hafa ihany mantsy ilay tena hoe nitia,
Ilay nanam-pahavononana mba tena hiara-dia!
Toa tsy hisy hahasongona azy, na fanahy na amin'ny bika,
Hafa ihany ny antsika: fitiavana rômantika!
Ilay fanampin'ny anarany, mbola anarana dradraiko...
Ireo lasanay fahiny, mbola tsy afaka ato an-tsaiko...
Ny mbola iheverako azy? Mbola silaky ny aiko...
Ny mbola hihaonanay tampoka? Ivavahako, andrandraiko!...
--------
Rohy:
Mpakafy:
Azrael666
Hevitra mandeha
Azrael666
(
23/03/2026 07:25)
tsy ilay tononkaloko ity nantsainao ity Ikalamako fa an'i Njakahery Andriamalala, dia lasa ato e!
ikalamako
(
25/03/2026 21:40)
ooops, saika tsy azoko ilay olana. Disodiso tsy mahamôro i sefo Hery tamin'ny ID nampidirana ny feo. Andraso antsoiko atsy mihitsy aloha. Azafady nama aaa
ikalamako
(
25/03/2026 21:54)
izay fa voahitsy. Mankasitraka sefo Hery o ! Rary soa bevata Azrael a!
