Vetsoko mangina (Elysé Azrael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vetsoko mangina mbola hatramin'izao
Ny mbola hifankatia sy hiara-tsambatra aminao...
Mbola vetso tsy mangina manako anatiko ato:
Lay teninao hoe tiako ianao...Mampisento tsy miato...
Mbola vetsoko hatrizao fa ianao no ilay anjeliko,
Na tsy ho tanteraka amintsika ilay fitia volan-tanteliko...
Vetsovetso ihany ny ahy e! Ary vetso tsisy fetra,
Nefa antenaiko ho to, raha ny Anjara no mitsetra...

Vetsovetso ny ahy malala a! Vetsovetso rediredy,
Vetsotson'ny fitia midelira tsisy bedy...
Vetsom-pon'ny tia saingy tsy afaka manoatra...
Raha mba nety mantsy ny antsika? E! Angamba ho mamy loatra...

Vetso mamy ny ahy malala a! Mamy loatra mahangoly
Vetso anao no hany hery, hany sisa fialam-boly...
Iriko hiantefa any aminao izany vetsoko izany
Ka raha sendra mba miantefa, valio tsiky na tomany...

Vetsovetsoko amin'izao? Izaho dia mbola tia anao,
Mbola ianao no nofy mamiko,
Mbola ianao no mety amiko,
Mbola ianao no mampitempo,
Mbola ianao no mampivetso,
Mbola tsy azy ianao fa ahy,
Mbola ianao no aingam-panahiko!.....
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana
43 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123