IZANY FIAINANAO? (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZANY FIAINANAO?

Ilay safidinao ry foko
no nandratra ny ao anatinao
ilay nokasainao ry saiko
no nanimba ny eritreritrao
Ilay nofihininao ry aiko
no nitondra aretina ho anao
eny!ilay silakao Fanahy
no nandrtindrotika anao

Ilay tovovavy nombanjinina
no nanajamba izany maso
ilay feon'ny malefaka iny
kay namparenina ny sofina
Ilay niara namindra faladia
no votery hisara-dia
ilay niara-natoritory
no voatery hisaram-pandriana

Ny tontolo sy ny vohary
toa maizin-kito ny havoana
ny hetaheta sy ny mosary
toa te hilaza hoe anio ny fotoana...

Ernest vohanson
11/02/2016
--------
Rohy:
1474 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097