LAZAO FA TIA Efa ela iha (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZAO FA TIA

Efa ela ihany angamba ianao izay nampiandry
hoe: "Rahampitso, rahampitso izaho mamaly"
nefa ankehitriny, toa tsy azoko hoe: Ahoana?
toa lasa fialantsiny 'lay hoe: "Valiko eo foana..."
hatraiza moa ny fetran'ny fanomezanao fotoana?
sa niandry aho dia miandry, hiandry anao foana?
ekeko hoe: Izaho tia, matoa mitory fitia
fa ny valintenin-dry, tsy haiko hoe: "ENY" sa "TSIA"

Ka lazao 'zay tena làlan'ny ao amponao marina
"Hanaiky sa handà?" ny ao amponao tiko fantarina
f'aza avela hiandry lava, fa androany, androany ahany,
ny fitiavako tsy mety ho rava, fa ny hitia anao hatrany

Ka bitsiho amiko mangina,hoe: Ianao 'lay tena tiana
fa tsy havelako hikoriana, toy ny rano miraraka antany
izay teninao androany, fa tiko hitoetra hatrany....
Tiko ianao ka tiko....

Ernest vohanson
22/01/16
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
2045 0
Hevitra mandeha
dom16 ( 04/04/2016 19:50)
marin zan ampiandrasin lav zao fon n olon ref tena ty
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097