*EKENA* (fy kalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekena, raha izay no anjara
Ekena ,raha izay no hitanao fa tsara
Ekena, raha safidinao ny handao
Ekena ny safidim_ponao
,
Ekena, raha izay no lahatra
Ekena, izay hitanao mahasambatra
Ekena, ny safidinao handeha
Ekena ity fo tsy afaka hamehy
,
Ekena, ny zava_misy
Ekena, fa saingy indrisy
Ekena, fa aleo aho hody
Ekena tsy hiantsoko tody
,
Ekena ny zava_drehetra
Ekena fa saingy misy fetra
Ekena, ny safidinao ry malala
Veloma ary koa mandehana
=>fy kalo
18/06/12
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1056 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fy kalo
Nampiditra : fy kalo
Daty : 22/09/2015 12:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.016