Teny ho natokana ho azy (gervais RANAIVOSON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe mahantsa ho tantaraina
Na kotran'ady mila an-kisa,
Fa manan-javatra ho lazaina,
Tsy vazivazy tsy adrisa

Tsy hoe Balita tonga seza
Ka ditin-kazo no hondanana
Fa mpanety tonga areza
Tsy Konjokonjo valin-tanana

Otri-pery nyy ao anaty
Mikotrika vain'afo mena
Mila handoro izay tsy tanty
Mifofo aina tsy hay fefena

Onena loatra ilay Fiadanana
Voaviraviran'Amboadia
Toa zakazaka tsy hay sakanana
Korontan-dava kotram-by.

Enin-taona 'ngarangidina
Nobabony ianao ry Tiana,
Novolosany tsy anidina
Ka karakaina lany sira.

Novesarany zioga tsy antonona
Tsy naim-po fa noterena
Nanjaka i Donto sy Lomorona
Nanamaizim-pito ilay Maraina.

Dia dibo-kafaliana i Naivo kely
...Nitsonika ny nofinao,
Fahoriana lava no lalao,
...Ny Sahanao dia olam_pery.

NAIVO A!
Ignay ianao ka mba nisaina,
Nandinika nangina kely
Dia ho foana tsisy ny taraina
Nankalilo sofina nandemy.

Ignay ianao ka nahay nandefitra
Nahafehy ny fo izay feno ratra
Tsy niaka-daza tamin'ny "setroka"
Dia noharabaina ho tompon-daka.


Izao ianao no zary Fototra
Nandrendrika an'i Fiadanana
Nandoakaloaka tsy nanototra,
Namotsifotsy anay tsy manana.

Ianao 'zao aloha no zary Andry
Nianjera tamin'ny mpatory an-tsena;
Nanosika azy hody mandry...
Mba hitsetrefanao ny harena

Izao ianao no rivo-penitra
Nandravarava nigagana,
Toa hoe "Prix Nobel" ny Fanenitra
Mpamotipotika tanàna.



Kà izaho aloa tsy mbola hitsara
Satria tsy tompom-pahefana,
Fa manantena mino kosa
Fa any andro, ianao hanefa trosa
--------
Rohy:
1502 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : gervais RANAIVOSON
Nampiditra : Gervoocs
Daty : 13/01/2015 09:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101