TSINOTSINO (gervais RANAIVOSON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny lasa no tsiaro

Raha ny omaly no visaina

...Korontan'ota nifangaro

Nifofo hamongotra ny aina.



Tsy ny tena no nahery

Na ny saina o natsilo,

...Raha velon'aina sy miteny

Dia teo ilay Ray tsy nanadino.


Sanatria tsy ny hamanjana

Firehareha sy fianteherana,

Raha tomombana ny anjara

Dia teo ilay Ray izay fandeferana.


Dia ilay Ray izay fangorahana

...Nampitombo andro ho
fahasoavana

Ho vatolampy
fiantsipazana,

Raha tapi-dalan-kiantorahana.


Dia ilay Lapan'ny fitiavana

Mahay mamela izay mikomy;

Tsy miotri-po fa be
finiavana,

Hanafosafo...hampitony.
--------
Rohy:
1563 1
Mpakafy: Gervoocs
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141