Ampidiro aloha ny tenimiafina
MAHALEOTENA (Hary MDK)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahaleotena marinaFa toa mba tafarina
Aminy lainga sy ny fitaka
Aminy ady sy ny fahantrana mahazo sehatra
Ny saina sy ny sandry
Toa samy maka ho azy
Ny kary sy saka
Toa kotofesty sy maka
Vahoaka no tompony
Fa toa mangatak’atiny
Ny alika aza no asina fotiny
Fa ny vahoaka tazam-potsiny
Ny marina sy diso ,tsy afaka miaraka moa
Fa ny aty antanana ,ny olona indray no atao kisoa
Vokisana aminy teny feno fitaka
Vokisana sakafo kely vary kely tapa-mofo
Dia iny fa mamitsaka mitehaka, mitehinkiho mamihatratra.
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
