ZAVA-MISY (Hary MDK)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mangatsiaka aza ny AndroMisy foana ny tsy miakanjo
Na efa farany mahantra aza isika
Misy foana ny milaza fa mandroso
Izy no manakarena
Aminy tsolotra , fangalarana,fanondranana
Fa ny tsy mahitahita
Tolorana taolapifika
Ny azy vodihena,kotileta
Ny any vahoaka taola-kena
Misy mahazo taova-kena
Ka anisany mandokandoka
Hoe mandroso hoe mandroso
Izany foana no vetesina
Adala ve sa mitampimaso
Sa ny fitombenany no fisainany
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina
