Aza latsaina iray (Hitler Beofo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandrobana Fanaratsina
Fitsikerana
Ka tsy Irina
Fiavian-tsika
Nanirian'ireo lasa
Iarahan'tsika nahita
Ny tolona sy falin-kasa
Latsaina
Tsy omen-kasina
Viraviraina
Robatina eo amn'ny teora masina
Gasy miray angovo
Tsy mitovy fijery
Ianareo izay mb namaky lala sy noro
Ka tokony hitabatra ho iray hery
Tsy miteny ny tanindrazantsika
Raha tsy isika no mampilaza
Tokony tsy latsaina tsy atao fika
Fa tany masina tany manandaza
Lova tsy mifindra
Ny ra izay iombonantsika
Gasikara miara mamindra
Izay tokony ho filamatsika
Gasy ienao
Izaho koa torak'izany
Fehezo ao amponao ao
Tsy manampaharoa isika afa tsy izy ihany... . malagasy vy!!!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fantaro
Mpakafy:
Hitlerbeofo