Ainga (Iary Fyh)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana iky ny hira tsy mitovy no terena hiara-dia ?Nahoana izay nivoaka farany no terena ho tsy nisy raha tsy noho iry ?
Fa ainga samy manana no nanosika ny tanany hanakorisa penina
Toe-javatra sy teny no toa tafara-dalana ka mampimenomenona ?
Ny saina tsy miangatra no Aoka mba handinika sy hamakafaka
Fa tsy izay tandrifim-bava
(,Mandratra sy manimba) no omena Laka!
Raha ny lohateny na ny hevitra ventesin'ny mpanoratra no inona ?
Tsy ireo Ngezalahy ve no nifanosona toa inona ?
,Fa ny fahatafitan'izany any am-pon'ny hendry
Ka handraisany lesona no hany nokinendry.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
IaryFyh
