Vaky fo (iLémamy A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa injay injay aho toa te hilaza ny marina aminao,
Saingy indrisy,izy hatrany no hinoanao,
Isan'andro isan'andro.
Voatapiny amin'ny angola ny fonao,
Rotsirotsiny amin'ny voady sy toky ny fitiavanao,
Dia mino ianao,natoky ianao,
Isan'andro lava izao.

Mitsiky ianao mahita ahy,tsy mahafantatra akory ny marina.
Raisinao ny tanako dia hoy ianao hoe:misaotra anao manaiky ho namako,
Miovitra ny ato anatiko,toa te hihika mafy ny foko saingy indrisy,tsy aiko zay atao.

Hatram'izao mbola tsy niova,
Izy foana ny hitokisanao,arahinao ary mahasaropiaro anao isan'ora lava izao,
Anio nefa toa tiako ho tsorina aminao izay marina afeniny ambadika ao,
Saingy mety andratra anao.

Nefa ho lazaiko ihany izany noho ianao,
Mety ho mafy nefa aza manahy fa mbola ity aho,
Ampionona anao,hamafa ny alaelonao,hamitrana ny ratram-ponao,

Aleo izy handeha amin'ny tiany,
Saingy lavitra anao...


Ho an'i sanya ratsiméone


iLémamy A
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1011 1
Mpakafy: pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : iLémamy A
Nampiditra : ILEMAMY
Daty : 29/03/2016 14:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149