Akoholahy tsy mamon'ady (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKOHOLAHY TSY MAMON'ADYTsy hanao rainitoaazy aho ka ho hendry any an-tranon'olona
Fa misy kotroka midona ange
Avy any an-tsefaka any
Mievinevina mantsy ry dadatoa any am-pasana
Fa ohatra ny tsy mba nananatra hono r'izareo
Nahoana tokoa moa isika no
Tampon-tany mantsaka ranom-potaka
Ka variana amin'ny bozaka kely
Fa tsy mahita ny sakamandimby
Tsy maintsy hiaraha-mibata
Raha ny fitiavan-Tanindrazana ange
Tsy hifampiderana io e
Koa atodiho ny fieritreretana
Aza atao maizin-tsasaka ny saina
Ka hanao akoholahy tsy mamon'ady eto
Lahatra itovizana ny antsika
Ary toeram-boazara no eto
Ka sao lahy hanome tsiny an-Janahary
Fihavanana no nampianariny antsika
Koa andeha hifanome tanana
Fa ny hanarina indray no tsy laitrako
Imbitika Rambala - 11/03/21
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
