Dia aoka hazava (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA AOKA HAZAVA

Dia aoka hazava sy ampahafantarina
Fa ity Tany ity matoa tsy tafarina
Dia nisy ary mbola misy ny te hamarina
Satria nopoizinin-janany Izy no marina

Matoa isika mandry fotsy ambony sompotra
Dia misy mpamosavy malemy matevin-koditra
Efa maty eritreritra sy tia tototototra
Dia ny vahiny no lazaina fa tena romotra

Koa hiantsoako tody rangahy ny ra ikambanana
Fa masina ity Tany ity fa iaraha-manana
Raha ny hasin'ny Razana no handrakandramana
Dia aoka halemy ny tanany havanana

Imbitika Rambala
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
45 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117