Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay vendrana (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa dia noho ny inona loatra ?Dimy taona tamin’ny 75
Adinina lesona amin’ny 92
Adinina lesona ilay ankizy
Adinin’ny rainy
Adinin’ny reniny
Adinin’ny mpampiasa
Adinin’i Afrika
Adinin’izao tontolo izao
Tsy misy havaly ilay ankizy
Lasa vendrana izy
Tena vendrana
Dia mihanahana ilay Vendrana
Adinina mihanahana
Adinina mipitrapitra
Mipitrapitra ny fijeriny
Ny fijeriny gagagaga
Gagagaga sy manontany
Fanontaniana fitakiana
Fitakiana ny fijeriny
Fijery mampalahelo
Fijery mipitrapitra
Mipitrapitra sady mangarika
Mangarika !
Fijery mitaky toky
Fijery feno ompa
Fijery feno ozona
SATRIA
Tsy ampy lesona ilay Vendrana
Diso lesona ilay Vendrana
Very lesona ilay Vendrana
Tena fesona ilay Vendrana
Mitaky lesona ilay Vendrana
Fa tara lesona ilay Vendrana
Ka dia miesona ilay Vendrana
Satria nampiesonina ilay Vendrana
Dia manadina ilay Vendrana
Manadina ny mpanadina
Ny mpanadina adinina
Mody vendrana
Sa tena vendrana ?
Satria mihanahana
Fa te hanala tena
Kanefa tratran’ilay Vendrana
Imbitika Rambala - 11/08/92
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana - Eritreritra mandalo
