Vala iray ihany (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALA IRAY IHANY,

Vala iray ihany no iarahana mifoha
Lanitra iray ihany no iaraha-miloloha
Tanety iray ihany no iarahan-kiraofana
Ary tany iray ihany no hilevenana

Tsy nampiraisin'ny kisendrasendra ange
Fa lahatra tsy azo lavina izao
Fiainam-boazara ny antsika
Koa ny zaran'ny hafa tsy azonao horombahina

Ka nahoana no

Miara-mijoro mba hifamingana
Milaza tsy mpanao ankaso nefa mila vaniny

Koa aza to fo manan-kavana re

Imbitika Rambala
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
75 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122