Nambinina sy Nary (Kally (Ikala))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nambinina sy Nary
Izay mifankatia tokoa
Nifanaiky fa tsy hifanary
Ka miaraka izy roa.

Efa ela no niaina
Tao anatin'izy roa
Ilay fitiavana lalaina
Fifanomezana ny soa.

Tsy nambara anefa izany
Ka samy nanana ny diany
Ka ny any fiafarany
dia samy nanana ny olon-tiany.

Ankehitriny kosa ary
Nifanojo ilay fitia
izay tena izy fa tsy sary
ka nifanaiky fa hiaradia.

Ny hany tsininy dia izao
Mbola miafina ilay fitia
Nary nefa te hiaraka aminao
Ry Nambinina Cherie.

Raovina ihany vao hiposaka
Ny masoandron-dry zareo
Sa hilentika anaty fotaka
Ilay fitia,ka hifarana hatreo.

Tsia,tsy manaiky izany aho
Raha tsy mahazo ilay niriako
Ka hisisika hiaraka
Dia @ Nambinina ilay Tiako.

Raha ianao no mitsara
Dia handisoa ahy ianao
Nefa tsy hainao ilay tantara
Ka tsy omeko tsiny ianao.

Dia hofaranako alo ty vetsoko
Ka hotoizako @ manaraka
kanefa tsy hifarana ny sentoko
Veloma vetivety,veloma tsy hisaraka.

Nary.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kally (Ikala)
Nampiditra : Rakotoarinivo
Daty : 21/02/2006 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101